Eto ianao : Fandraisana > Bizna > Categories > Fety sy Lanonana > Samihafa

Fihaonana Namana Serasera Madagasikara Febroary 2015

Submitted by: hery
On date: 17/02/2015 08:20:09
Expire on: 28/02/2015 08:18:53
Hafatra avy any amin'i Naritsimba

Araka ny resaka efa natao dia hifampiarahaba tratry ny taona 2015 isika eto @ NAMANA SERASERA DAGO.

Toy izao ary ny mombamomba izany:

Daty: sabotsy 28 febroary 2015

Toerana: AROCARIA Ankadikely Ilafy

Saram-pidirana: 2000ar na 10000fmg

Fanombohan'ny fotoana: 10 ora maraina

Firavana: 4 ora sy sasany

Sakafo sy rano fisotro: Samy mitondra ny azy

Izay te hilomano dia manomana 2000ar ambonin'ny fidirana.

Betsaka ny lalao azo atao eny an-toerana.

Hisy ny fifanakalozana fanomezana (Echange de cadeau), ka 2000ar ny sandany, ary fonosina gazety.

Amin'io fotoana io no hifampiresahana ny fandaharam-potoana mandritra ny taona 2015.

Ny fomba ahatongavana eny an-toerana dia mandeha bus 163 dia any @ farany no miala, na mandeha bus H eo @ St Antoine dia miala eo Ankadikely.

Manantena ny fahatongavantsika maro fa efa nezahina ho akaiky sy zakan'ny rehetra ny saran-dalana sy ny saram-pidirana.

Tongava maro eeeeeeeeeee!

Ny fanazavana fanampiny: http://forum.serasera.org/forum/message/m54daf0ac6242e

Link: http://forum.serasera.org/forum/message/m54daf0ac6242e

Reply

Send a message to the announcer here

Apetraho ny email na telephone mba hahafahana mamaly anao







[*] Required