Eto ianao : Fandraisana > Bizna > Categories > Fety sy Lanonana > Fampisehoana Teatra > Ao Frantsa

TRANGA TENA MARINA

Submitted by: raozigasy
On date: 26/11/2014 17:47:14
Expire on: 28/11/2014 17:46:58
Tompokolahy sy tompokovavy

Dobodoboka hono fomban’amponga, Tabataba ny maro kilonga
Mikorataba ny tia somonga, Izahay manasa anareo mba ho tonga
Seho tokana tsy fahita firy , Miezinezina sy makadiry
Fanandratana ny soatoavina, Ka ity re ny fanasana aza lavina

Lalaovina an-tsehatra ny tononkalo, Hitantarana ireo Tranga mandalo
Horavaha-mozika hanako, Hanaingo azy ny Tarika Lamako
Hisy koa ranty hosodoko, hanovana kely ny loko
Haneho ireo Tranga miseho, an-kanto ho hitanareo

Ny zavatra hitranga hafakely, tsy mbola mpiseho velively
Hiragasy no ao amin’ny fandaharana, hirain’ny Zazaniangarana
Seho tokana eto Paris, hatrizay tsy mbola nisy hoatr’ity
Koa tongava aza misalasala, tsy indroa mandry mantsy ny valala

Raozigasy
06 64 67 26 18

NB : Aza misalasala miantso na manoratra raha misy fanontaniana

SEHO TOKANA ETO PARIS : TRANGA TENA MARINA

Asabotsy 15 Novambra 2014 amin’ny 09.30 alina
SALLE MAS 10 rue des Terres au Curé
75013 Paris
Fandraisana anjara : 25 euros

Tapany voalohany : INDRAM-PEO
Tononkalo an-tsehatra hilalaovana ireo tononkalo nosoratan’i Raozigasy ary horavahan’ny hiran'ny tarika Lamako

RANTY KANTO mandritra ny fialana hetaheta
Hosodoko iarahana amin'i Rajohnson Vero
Fampirantiana karazam-baliha
Varotra boky miaraka amin’ny HAVATSA UPEM
Takalo kanto miaraka amin’ny Mpanjaitra RAITRA

Tapany faharoa : HIRAGASY
HIRAGASY miaraka amin'ny tarika ZAZA NIANGARANA :
ahitana an'i Emeline , zaza navelan'i RAMILISON BESIGARA sy FAFFA fantatra amin'ny DIHY MALAGASY

Mpanohana sy mpiara miasa :
Jacaranda de Madagascar
R’Aitra SARL
Echos du capricorne
Radio Bitsika
RadioVazoGasy
Radio Toko Telo
Takariva
MadaPlus
Fetybe
Havatsa UPEM
Miritsoka Production

Tsara ho fantatra :
Metro : Ligne 07 : Station Porte d’Ivry / Ligne 14 : Station Olympiades
Tramway : T3 Porte d’Ivry
Parking : http://www.vincipark.com/fr/parkings/massena-13-75130800

Reply

Send a message to the announcer here

Apetraho ny email na telephone mba hahafahana mamaly anao







[*] Required