SATRIA TIAKO IANAO
Manasa anao ho avy, hanontrona ny hetsika sy ny seho atao
Hanandratra ny kanto, sy teny malagasy, ny 15 febroary izao
Antsan-tononkalo, hira,dihy, mozika, ary hosodoko
no hizarako anao, ireo aingan'ny fanahy, sy ny hetsiky ny foko
Raha sanatria tsy afaka, maro moa ny antony, sarotra visaina
dia indramiko ianao, zarao sy aparitaho, ity doka hotanisaina
mba ho tsara laza, ny hafatra mba tiako, ho fantatry ny betsaka
hoe Raozigasy any, an-kanto malagasy, no miantsa kalo an-dresaka

Reply
Send a message to the announcer here
Apetraho ny email na telephone mba hahafahana mamaly anao